<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ry olon-kanao fanekena
 masina,
 Misaora ny Tompo, fa ny
 sitrapony
 No nampikambana
 Amim-pitiavana ;
 Ka dia tsy olona roa intsony,
 Ny tany Edena tsahivina
 indray.

[V2]
 Ny fahamarinan'
 Andriamanitra
 No haingo manendrika ny
 tokantrano
 Ho toy ny lanitra
 Mamirapiratra.
 Ry mpivady marina, Kristy no
 tano
 Handamina ny tokantrano
 vaovao.

[V3]
 Ny fahasoavan'Andriamanitra
 No andry manohana ny
 tokantrano
 Ka mampisandratra
 Ny te ho sambatra,
 Izay ankohonanareo
 atsangano
 Hidera ny famindrampo
 lehibe.

[V4]
 Ny fanaky ny tokantrano
 masina,
 Manoatra be noho ny
 volamena ;
 Ny fivavahana
 Sy ny finoana,
 Fisaorana sy fiderana homena
 Marain-tsy hariva ny
 Mpamonjy e !

[V5]
 Jehovah Mpitana ny
 fanekena ô !
 Tahio ny toky nomeny ho
 mafy,
 Ho masina sy to,
 Ho marina am-po ;
 Ka izy handresy izay
 ta-handrafy ;
 Ho azy ny lova ho
 mandrakizay.</lyrics>
<title>Ry olon-kanao fanekena masina FFPM704</title>
<hymn_number>704</hymn_number>
</song>